Ireo fanontaniana tena ilaina amin’ny fiainan’ny mpino islam.
1-Avy aiza ny mpino islam no manovo ny finoany?
Ny mpino islam dia manovo ny finoana avy ao amin’ny Bokin’Allah ( ) sy avy ao amin’ny Sunna marina ny Mpaminany r izay tsy miteny noho ny hetahetampony ( Tsy inona ny teniny afa tsy ilay tsindrimandra tonga taminy) [An-Najm, 4] ary izany dia mila mitovy tamin’ny fomba fahazahoan’ireo Mpiaradia tamin’ny Mpaminany sy ireo mpatahotra izay niaina talohantsika tamin’ny Boky masina Kor’an sy Sunna.
2-Misy ambaratonga firy ny finoana Islam?
Ny finoana dia manana ambaratonga telo: Ny Islam (Al-Islam), ny finoana (Al-Imâne) sy ny fahalavorariana (Al-Ihsâne).
3-Inona ny atao hoe Islam? Ary firy ny andry iorenany?
Ny atao hoe Islam dia ny fanarahana baikon’Allah avy amin’ny fanokanana azy tanteraka (Tawhid), ny fandresenao ny vatanao ny mba hanaja Azy ary ny fandavanao ny Fanompoan-tsampy sy ireo mpanak’azy.
Ny finoana Islam dia manana andry 5 araka ny tatitra azy avy tamin’ny Mpaminany r : “Ny finoana Islam dia miorina amin’ny andry 5: Ny fijorona vavolom-belona fa tsy misy Andriamanitra (mendrika tompoina) afa tsy Allah ary Muhammad dia hirak’Allah, ny fanatanterahana fivavahana dimy isan-andro, ny famoahana Zakât, ny fivahiniana any amin’ny Trano masina ary ny fifadiankanina Ramadan.
[Notaterin’ny Al Boukhari sy Muslim].
4-Inona ny atao hoe Finoana ary miisa firy ny fototra iorenany?
Ny finoana dia ny fahatokiana lalim-paka ny fo sy koa ny teny izay tononin’ny lela ary ny zavatra tanterahin’ny ratsam-batana (asa); izy dia mitombo rehefa manaja an’Allah ny olona anakiray. Niteny Allah ( ) manao hoe: “Mba hanampin’izy ireo ny finoana amin’izay efa ananan’izy ireo”. [Al Fath, 4]
Ny mpaminany r dia milaza manao hoe: “ Ny finoana dia mizara ho 70 mahery , ny tena faratampony amin’izany dia ny fitenenana manao hoe “tsy misy tompo mendrika tompoina ivelan’Allah” ary ny tena farany ambany indrindra amin’izany dia ny fanalana zavatra mety miteraka loza hoan’olona eo amin’ny lalana, ny fahamaotinana dia anisany ao anatin’ny fizarana ireo. [Tatitra voarakitra ao amin’ny Muslim].
Mba hampazavazava izany be be kokoa dia, mahatsapa fironana amin’ny fankatoavana Allah ianao rehefa manao asa soa betsaka. Milaza I Allah ( ) manao hoe: “ Ny asa soa dia mandrava ny asa ratsy” [Houd,114]. Ny finoana dia manana andry 6 izay iankinany. Izy ireo dia voalaza ato anatin’ny tenin’ny Mpaminany rmanao hoe: “Ny finoana an’Allah, ny ireo anjeliny, ny ireo Bokiny, ny ireo hirakany, ny andro farany sy ny finoana ny lahatra na tsara na ratsy dia samy avy amin’Allah. [Tatitra ao amin’ny Al-bukhari].
5-Inona ny dikan’ny “tsy misy tompo hafa ankoatran’Allah”?
Ity dia midika hoe: ny fandavana ny zo ny fanompoana zavatra ankoatran’Allah ary ny fanekena ny zo izany ho an’Allah ( ) irery ihany.
6-Iza ny antokon’olona ho avotra amin’ny andro fitsanganan’ny maty?
Nilaza Mpaminany r manao hoe: “ Ary ny vahoakako dia mbola hizarazara 73 antoko, izy ireo rehetra dia mandeha amin’ny afobe afa tsy iray ihany. Nanontany ireo mpiaradia taminy manao hoe: “Iza amin’ireo O ry Mpaminany r? Namaly izy nanao hoe: Ny antoko izay misy aho sy ireo mpiaradia amiko ihany”. [Tatitra hita ao amin’ny At-timidhi]. Ny fahamarinana dia ny zavatra izay nataon’ny Mpaminany [Tatitra hita ao amin’ny At Tirmidi] sy ireo mpiaradia taminy. Noho izany dia tokony hanaraka ny Sunna [ ].
Ary ianao dia mila mitandrina tsara amin’ny fanovana raha ohatra ka ny fandriampahalemana sy fanekena ny asanao izay nataonao ho an’Allah ( ) no tadiavinao.